MAHAMASINA BAREA – Mba hitandroana ny filaminana ny amin’ny lalao ifanandrinan’ny ekipam-pirenena malagasy ny baolina kitra sy ny ekipam-pirenena etiopianina, ny asabotsy 16 novambra eny Mahamasina, dia nametraka lamina vaovao ny mpikarakara. Ankoatra ny fivarotana ny tapakila, androany 15 novambra, dia nanambara ny filohan’ny federasionina malagasy ny baolina kitra, Raoul Arizaka Rabekoto, fa mpitandro filaminana 1 500 no ahetsika amin’io andro io, ary ireo izay manana tapakila fidirana ihany no afaka miahodiaody manodidina ny kianjan’ny Mahamasina.