https://www.telma.mg/mobile/offres/telma-net https://www.telma.mg/mobile/offres/telma-net https://www.telma.mg/mobile/offres/telma-net
PUBLICITÉ

?—Vaovao avy amin’ny Masoivoho Amerikana—??

28 Janoary 2020

Manolotra solosaina laptop ny USAID hanatsarana ny fitantanana sy fitsinjarana ireo vokatra ara-pahasalamana

Fanomezana ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanatsarana ny famatsiana sy fandraisana fanapahan-kevitra

ANTANANARIVO – Nanolotra solosaina laptop miisa 37 mitentina 31.000 dolara (maherin’ny 114 tapitrisa ariary) ho an’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alàlan’ny tetikasa IMPACT, ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID). Izany fanampiana izany dia hanampy ny ministera hahatratra ny tanjona hiantoka ny fahazoan’ny vahoaka malagasy vokatra ara-pahasalamana.

Nisy ny lanonana natao tao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay nanoloran’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny USAID, Atoa Mike Stern, izany fanomezana izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Pr. Julio Rakotonirina. Nanamarika izay teo am-pitenenana fa, « ny USAID sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia miaraka manatsara ny fahaiza-mitantana sy ny fahafaha-mahefa ara-teknika eo amin’ny sehatry ny fanomezana fitsaboana eto Madagasikara. »

Ireo solosaina laptop ireo dia hanampy ny Ministera hanatsara ny planina, ny fanaraha-maso ary ny vinavina mikasika ny vokatra ara-pahasalamana misy ao amin’ny rafitra famatsiana. Hampiasaina koa izy ireo amin’ny fametrahana système d’information sur la gestion logistique na SIGL. Ity farany ity moa dia manome fomba haingana sy mora ampiasaina ary manara-penitra hanarahana ny momba ny kojakoja ara-pahasalamana an-jatony : manome fampitandremana mialoha raha misy entana lany, ny fitsinjarana indray ny entana raha ilaina izany, ary mampahomby ny rafitra sy mampihena ny fandaniam-poana.

Natomboky governemanta amerikanina, amin’ny alàlan’ny USAID, ny tetikasa IMPACT tamin’ny taona 2018 hanatsarana hatrany ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy amin’ny alàlan’ny fiantohana ny fahazoana vokatra ara-pahasalamana ilaina ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fandrindram-piterahana, ary ny ady amin’ny tazomoka. Ny IMPACT dia manamafy ny fahafaha-mahefan’ny seha-panjakana hitantana ny famatsiana vokatra ara-pahasalamana.

Sary : Masoivoho Amerikana

Souscrivez aux alertes et soyez notifiés automatiquement.

PUBLICITÉ
2424.mg Actualité & Reportages

2424.mg Actualité & Reportages

Un média en ligne indépendant, neutre, couvrant aussi bien l'actualité à Madagascar ou réalisant des reportages sur différents sujets de société. Notre vision est libre, car nous garantissons l'absence de fonds provenant de politiques dans nos revenus, nos seuls revenus proviennent exclusivement de fonds privés et de la publicité.Nous encourageons le journalisme participatif, contactez-nous aujourd'hui pour plus d'informations.

Article suivant
PUBLICITÉ

NEWSLETTER

RECEVOIR GRATUITEMENT LES ACTUALITÉS PAR EMAIL

REMARQUE : La confirmation et la Newsletter pourraient tomber dans votre dossier SPAM

PUBLICITÉ

Nos recommandations

À ne pas manquer

Heureux de vous revoir !

Connectez vous à votre compte

Créer un nouveau compte !

Merci remplir le formulaire pour s'enregistrer

*En vous inscrivant vous marquez votre accord avec les termes, les conditions et la Politique de confidentialité.

Récupérer votre mot de passe

Merci saisi votre identifiant ou votre email pour réinitialiser le mot de passe

Add New Playlist