PODCAST – Fampidirana ny tanàna avo ho vakoka maneran-tany : Ny fiandrianam-pirenena no ambony hoy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina.
Namaly ny UNESCO na ny sehatra misahana ny fampianarana, ny kolontsaina ary ny siansa eo anivoan’ny firenena mikambana ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo mahakasika ny fampidirana ny tanana avon’Antananarivo ho vakoka maneran-tany. Ho an’ity mambran’ny governementa ity dia misy zavatra manan-danja kokoa noho izany.