FIFIDIANANA BEN’NY TANÀNA – Mahatoky ny fahaizan’i Rina Randriamasinoro, kandidàn’ny TIM amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, ny Filoham-boninahitry ny antoko. Nanambara i Marc Ravalomanana, teny Bel Air, fa kandida efa vita sedra ny lehilahy, ary nalefa niofana tany Frantsa sy Etazonia, mba tsy hiambakavaka refa mandray ny asany.