Tanà-Masoandro : Mamporisika ny fifampiresahana ny hetsika Rohy
Manoloana ny zava-nitranga tany Ambohitrimanjaka dia nanao fanambarana ny hetsika Rohy, ny alarobia 23 oktobra maraina. Ekeny tokoa fa ilaina ny mitady hevitra hanitarana ny tanàna manoloana ny fitomboan’ny mponina, saingy kosa tokony hanara-penitra ny dingana rehetra tanterahina amin’izany. Nanao antso avo ny mpiandraikitra ao amin’ity hetsika ity mba hisian’ny fifampiresahana eo anivon’ny mponina voakasika sy ireo mpandray fanapahan-kevitra ambony. Manentana ihany koa izy ireo ny mba hisian’ny fangaraharana, toy ny fizarana amin’ny besinimaro ny antotam-baovao sy ny drafitra isan-karazy manazava tsara ny tiana atao sy ny mampitombona ny tetikasa Tanà-Masoandro.













