Fito ampaha folon’ny mpifidy malagasy no nidongy tsy nifidy ireo depiote. Tsy natao hahagaga izany satria ilay hoe fampielezan-kevitra dia fampielezana hira nankarenin-tsofina no betsaka fa tsy nahitana tamingan-kevitra na iray aza. Inona intsony sahady no ho antenaina amin’io Antenimiera valalan’amboa io.
Mampalahelo sady mahamenatra fa lasa za-dratsy ny vahoaka sy ny kandidà ka mihevitra fa izao demokrasia kakakaka izao no demokrasia tena izy. Io Antenimiera manapitra ny fe-potoany io no malaza ho nanala-baraka indrindra tao anatin’izay enimpolo taona izay. Antenimiera nivaro-tena, voavidy tamin’ny kely foana.
Telo no asa mba andrasana amin’izany Antenimiera izany : mitondra ny feom-bahoaka, mamolavola lalàna, manara-maso ny Governemanta. Ny Ben’ny Tanàna no akaiky indrindra ny Vahoaka indrindra any ambanivohitra sy amin’ny tanàna kely. Ny didim-panjakana sy didy-hitsivolana ataon’ny Governemanta dia efa mibahana tanteraka ny fanaovan-dalàna amin’ny Fanjakana maro sampan-draharaha teknika ankehitriny. Raha ny fanaraha-maso indray : ampahany, raisin’ny Mpiasam-panjakana ambony niofana teny amin’ny ENAM (école nationale d’administration) ary tafakatra amin’ny «Inspection Générale de l’État» (IGE) ; ampahany hafa, andraikitry ny Cour des Comptes ahitana ny Mpitsara matihanina niofana tao amin’ny École Nationale de la Magistrature.
Ireny teknisiana ireny, manana tombony iray tsy manan-tsahala amin’ny depiote mahatsikaiky : ny fahaizana. Nandalo Oniversite ireo, afaka ny fanadinan’ny Sekoly ambony manokana, nianatra Lalàna, nandalina ny paikam-bolam-panjakana, nandinika ny fitantanam-panjakana. Laro iray sisa hanampy izany dia tsy inona kosa fa ny Fahamarinana. Tendrena fe-potoana lavalava izy, fe-potoana tsy azo faranana alohan’ny fetra, saingy fe-potoana tokana tsy azo avaozina. Omena ny karama ambony indrindra amin’ny Mpiasam-panjakana rehetra mba handavirany ny fakam-panahy ary tsy hiankinany loha amin’ny «mpamatsy vola».
Ny Fivoriamben’ny Ben’ny Tanàna no hampahafantatra izay hetahetam-bahoaka any an-tany lavitra Andriana rehetra any. Gazety, haino aman-jery ary serasera malalaka tanteraka no hanao tsindri-paingotra manaitaitra sy manatsikafona izay tsy mangarahara. Avela ho an’ny Didy-hitsivolan’ny Governemanta ny asa fanaovana Lalàna manontolo : lalàna tsotra, lalàna fehizoro, lalàna drafitrasa. Ankinina amin’ny IGE sy ny Cour des Comptes ny fanaraha-maso. Tsy ilaina intsony hatreo ny Antenimieran’ny depiote. Isika zatra ny «Fahefana Telo-Misaraka-Mahaleotena», fa angamba tsara maminavina zavatra hafa, mamorona fombam-panjakana tsy maka tahaka be fahatany ny randrana manendrika ny hafa.