Karana sy Banyans : lohatenin’ny boky nosoratan’i Sophie Blanchy tamin’ny 1995. Karana no Silamo, Banyans kosa no Hindo. Tsy dia ahoan’ny Gasy loatra izany fa dia ataony safobemantsina Karana fotsiny. Asa anefa, iza no nahatsikaritra, iny Alarobia namaranan’ny Silamo ny Ramadany iny, fa ninia niasa ny mpanefy firavaka tetsy Antaninarenina, izay Hindo avokoa. Tany India tanindrazan’izy ireo, na Silamo na Hindo, ny fivavahana Hindoisma no talohan’ny fivavahana Silamo. Heverina aza fa Brahmana nivadika finoana no nihavian’ny Silamo Bohra.
Efa latsa-paka amin’ny Malagasy ny fankalazana ny Noely, manaraka kalandary gregoriana. Iraisantsika amin’ny olona rehetra any New York ka hatrany Tokyo izany. Ity taona 2019 ity no nampidirana fety silamo tao amin’ny kalandary gasy. Maninona koa moa raha omena vahana tahaka izana ny fivavahana Hindo Brahma-Shiva-Vishnou, fahatelo be mpandala indrindra manerantany, ka hankalazaina ny Divali ? Ara-tantara mantsy dia fantatra fa nisy kalandary indiana teto (Asara, ets.), nialoha ny kalandary arabo (Alahamady, ets.), izay lefin’ny kalandary tandrefana (Janoary, ets.).
Ary ny Sinoa ? Efa hatramin’ny taonjato faha-19 koa ireo no Gasy. Hanankarena kokoa hatrany isika raha hankalazaina eto ny Taom-Baovao sinoa, izay sady Kolontsaina no harena mety hisintona mpizahantany.
Tany amin’ny taona 1940, Jean-Baptiste Razafintsalama, mompera jesoita niala, dia namoaboafy ny mety ho firazanana bouddhiste amin’ny filôzôfia malagasy : tsy nisy porofo ara-siantifika tena nandresy lahatra anefa nentiny. Mitovy amin’izany ihany koa ireo izay mivoy ankehitriny fa misy firazanana jiosy ny Gasy : mbola maivana hatreto ny porofo ara-siantifika.
Noely kristiana, Eid Mubarak silamo, Divali hindo, Bainian sinoa : ary ny Taom-baovao malagasy ? Mbola ady voninahitra. Mifangaro sy mifampihantsy ny taom-bolana sy ny vola-masoandro… Dia mbola izany aloha ankatoky ny fankalazana ny 26 jiona, niverenan’ny Fiandrianam-pirenena.