Ny «Mihady Volamena» ? Mampatsiahy ny zava-bita very tadidy anefa toa tsy dia mahamenatra. Karazan’izany itony «Mamalan-kira» navoakako tamin’ny gazety L’Express de Madagascar itony, efa tamin’ny 6 janoary 2017 : «Vodihena an-dapa, solom-pen’akoho isan-trano».
Nahoana sy iza no afaka «Mihady Volamena» ? Ny «Manan-ko Tantaraina». Nanan-ko Tantaraina ny olona iray, na Foko iray, raha mba nahavita soa : ohatra, tamin’ny razan’ny Andriamanjaka am-perin’asa, ka mba mitaky ny «voa-tsi-manadino» satria matetika moa ririnin-dasa tsy tsaroana ny «voa-mahatsiahy». Nanan-ko tantaraina tokoa isika, roa na telo taona lasa izay, nikasika ity sakafo eny amin’ny Lapam-panjakan’Iavoloha ity.
Fitia tsy te hanan-dratsy, saingy ny sasany no «tsy hita anarina, tsy hay atoro». Nanahirana ny mpitondra nifanesy io sakafobe eny Iavoloha io. Nanahirana, satria toa naneso ny fahantran’ny vahoaka ao ivelan’ny Lapa. Nanahirana, satria nahasadaikatra ny tafaray mifangaro amin’ny olona tsy mahalala fomba. Nanahirana tokoa satria raha voninahitra ny miaka-dapa, lasa nahamenatra ny tazana nisehoseho teny. Saingy, Filohan’ny Repoblika moa no manasa, ka sarotra no hiavonavona.
Ankehitriny, rehefa hita ny lesoka farany tamin’ny sakafobe mbola nanasana olona maro loatra teny Iavoloha, taorian’ny fandraisam-pahefana tetsy Mahamasina, dia tapaka fa foanana tsotra izao ny sakafobe hanasana olona an’arivony.
Izay no teny fampidirana, lalana tsy maintsy nolalovana, vavahady tsy maintsy nidirana. Ho anao mpamaky, tadidio fa efa tamin’ny roa taona lasa no nosoratana izao manaraka izao.
FANASANA ENY AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA. Andafiavaratra tamin’ny voalohandohan’ny Repoblika malagasy. Ambohitsorohitra mandra-pahavitan’ny lapa vaovao tetsy Iavoloha (mbola mora no mahatadidy ilay takelaka vita tamin’ny béton armé, somary nihoatra kely ny fidirana ankehitriny, ary nitondra ny soratra hoe «Mavoloha»).
Rehefa tratran’ny aretina, dedaka handefa mivantana sy manontolo ny lanonana ny mpitondra sy ny tandapa, no nahitan’izao tontolo izao ny fomba mahamenatra nanomboka naharatsy laza ny sakafo teny an-dapam-panjakana. Tratra tamin’izany ny vahiny maro manao am-paosy na an-karona ny sakafo atolotra : asa raha mbola aza atao hoe «manan-kaja» rehefa mivary lavo mampiseho toetra toy ireny.
Raha tsy isan’ny firenena mahantra indrindra manerana izao tontolo izao i Madagasikara, inoana marimarina fa tsy ho nisy fanafintohinana ny fifanatrehana eny Iavoloha. Saingy, indrindra fa alefa mivantana sy manontolo ny fotoana, asa angaha hamenoana ny banga amin’ny fandaharan’ny TVM (televiziona malagasy), dia miharihary loatra ny hantsana misy amin’ny lanonana eny Iavoloha sy ny andavanandron’ny vahoaka sasany : fianakaviana manontolo tsy manan-kialofana, raiamandreny mitsindroka fako, ankizikely mibaby zazamenavava mpangataka an-dalambe.
Raha ny rariny tokoa mantsy, tsy misy mpitondra tokony handihy sy hitotorebika raha mbola tsy nahavita ny vahoaka entina. Indrindra raha sendra ny tandapa tsy mahalala ny atao hoe hena-maso fa mainka mampivandravandra isaky ny hantenain-kanirina. Mihajahaja sy maotimaotina izany ny lanonana amin’ny firenena ataontsika ohatra ary raisintsika tahaka : Amerika na Eoropa andrefana. Tsy fantatra intsony raha ny demokrasia no niteraka izany fahatsorana izany, na ny fahatsorana no namaharan’ny demokrasia.
Ny fanasana an-dapa dia tsy hoe zava-baovao noforonina hatramin’ny 1960, 1975 na 2013. Fahiny, hatramin’ny faran’ny «Andro gasy», ny fotoana makotroka indrindra dia ny Fandroana. Tsy izao tontolo izao akory no tafiditra ny tokotanin’ny Rova, na nampandrosoina tao ambany rihan’i Manjakamiadana. Ny lehibe isan-tokony no manotrona mivantana ny Andriamanjaka, ary izay vahoaka tratra antso miadry eo Andohalo. Hatraiza hatraiza, hatrizay hatrizay, tsy mbola nisy izany hoe «fitovian-tsaranga» izany, fa ny fifampitondrana no nokajiana hatrany, mba tsy handratra ny teny, mba tsy handatsa ny fihetsika. Isam-bohitra, izay tompom-bodivona na tompomenakely na loholona amin’ny Menabe, dia mamono ny omby ho nofon-kena mitam-pihavanana.
Ity farany ity angamba no tsara heverina tsara amin’ny fifampiarahabana taom-baovao tahaka izao. Ny hivahiny an-dapa mantsy anie, efa voninahitra rahateo, fa sanatria ka tsy hameno kibo na hiboboka toaka no anton-dia eny. Ny vodihena tsy vaky raha tsy an-dapa, hoy ny fiteny taloha. Ka ny solom-pen’akoho ho an’ny vahoaka indray no tokony heverina.
Fa mety hihena ny fandaniana raha atao intelo miantaona ny fifampiarahabana ara-panjakana. Fifampiarahabana voalohany miaraka amin’ny andrim-panjakana sy ny olom-boafidy. Fifampiarahabana faharoa miaraka amin’ny masoivoho vahiny. Fifampiarahabana fahatelo miaraka amin’ny fiaraha-monim-pirenena (société civile). Fa ny olona asaina no mety tsy ho zatra : ny Jeneraly mba te hiresaka amin’ny Tale Jeneralin’orinasa, ny Sehatry ny Fananantany mba te hitafa amin’ny Ministra, ny Mpiasam-panjakana ambony mba te hanatsafa ny Masoivoho…
Ny hoe hanafoana tsotra izao fotsiny aloha dia sarotra heverina. Fa ny fandaminana no tsara dinihina, ary indrindra ny fandaniana tafahoatra no tsy maintsy ajanona. Tsy ny tany mantsy no fady fa ny vavam-bahoaka.














