Pentekôsta, Alatsinain’ny Pentekôsta : feno olona hiditra ao amin’ny Sahan’ny Tsimbazaza. Hatreo aloha tsy misy olana loatra na dia velom-panontaniana ihany aza hoe : «Misy ve ao toeram-pivoahana ara-dalàna, ary raha misy, ampy ireto olona an-jatony ireto ve izany sao ny dobon’ny voay, na ny tambohon’ny lambo, na tokotanin’ny gidro, indray no hanateran’ny olona maloto ?
Fa ity no tena olana kosa : heno hatraty amin’ny lalana mihazo an’ny Soanierana ny tabataba ao anatin’ny Saha. Olona an-jatony aloha raha samy miteny, tsy dia mahagaga raha tonga hatrany amin’ny arabe ny monomonona. Fa ny sonorisation mandefa «hira» mitatatata, manafintohina mihitsy.
Saha fonenan’ny biby efa ho lany tamingana ao Tsimbazaza ao. Izany hoe ny olombelona no mivahiny mamangy any aminy. Porofon’izany, tahaka ny tompon-trano rehetra, ny sokatra, ny vorona, ny fosa, ny voromahery, ny boloky, mijanona matory ao Tsimbazaza fa ny olombelona no roahina hody any aminy ary arindrina ny vavahady.
Andraikitr’io PBZT (Parc Botanique et Zoologique) io ny mitaiza ny olona hahay hanaja ny zavamaniry sy ny biby. Voalohany amin’izany fanajana azy izany ny tsy fanelingelenana azy amin’ny feo mahery : any anaty ala tena fonenany any, tsy misy hira maredona, tsy misy «animation» amin’ny «hauts-parleurs».
Isan’ny karakaraina ao Tsimbazaza ao koa ny fampivadiana ny biby mba hanan-taranaka satria ahiana ho lany tamingana noho ny doro-tanety sy ny tavy manimba ny ala ary ny fanatapatapahana ny hazo tsy am-piheverana. Mety amin’ny «éthologie», izany hoe ny fomba amam-panaon’ireo biby ireo ve ny tabataba, hanapaka ny ainy, ary hahamomba azy mandrakizay ?
Fitaizana no nanokafana io Saha io ho an’ny mpitsidika : raha mahafaly ny mahita ireto ankizy tonga ao, mahasadaikatra ny fitaizana ho azony raha omena ho ohatra ho azy ny tatatata ampoto-tsofin’ny biby. Aiza moa ny ankizy sasany no tsy hitoratoraka ny alika mpirenireny amin’ny tapa-biriky. Soa ho an’iza ? Kely mitoraka alika, lehibe mampijaly omby. Ny fitaizana voalohany ho olombanona angamba miainga amin’ny fanajana ny biby aloha.














