TSY AMPY RANO – Anisan’ny toerana tena mijaly rano eto Antananarivo ny fokontanin’Andraisoro. Tsy matory ny mponina amin’ny alina fa mivoaka eny ivelany manovo rano. Ireo mpanasa lamba kosa dia miasa amin’ny alina ary amin’ny maraina no manaha lamba. Tezitra tanteraka izy ireo manoloana ny toe-java miseho.
Efa nandefa tompon’andraikitra eny an-toerana anefa ny JIRAMA, mba hizarana rano hoan’ireo mponina ao Andraisoro, saingy tsy ampy izany.