Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy, Sheikh Abdoul dia efa hatrizay no nisy nankalaza ny Eid al-Fitr amin’ny daty roa. Ary misaotra ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, sy ny fitondrana tamin’ny nanaovana ho andro tsy fiasana ny Eid al Fitr. Io andro io moa dia manamarika ny fiafaran’ny volan’ny ramadany. Ny eo anivon’ny fikambanana misy azy kosa dia hankalaza azy io ny alarobia fahadimy ny volana jiona ho avy izao eny amin’ny Gymnase couvert Mahamasina. Nosafidina manokana ity toerana ity ahafahana mandray ny mpino sy ny Malagasy rehetra te hankalaza izany fety izany miaraka amin’izy ireo.