Mampiorina ny maha-izy ny firenena anankiray ny vakoka. Zava-dehibe tokoa araka izany ny hitehirizana azy sy hampitana azy amin’ny taranaka mandimby. Misy anefa matetika fanapahan-kevitra politika mamafa ireny vakoka ireny ka mahavery azy. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fanabeazana sy ny fibosesiky ny fanatontoloana, hoy Harilala Ranjatohery, mpahay tantara. Tafatafa.














