Miroa teny isika eto Madagasikara ao amin’ny Lalàmpanorenana ka mananosarotra ny ahatongavana amin’ny tarigetra hoe « Teny malagasy ahefan-draharaha ». Io no fanamarihana nataon’ny Profesora Jeannot Fils Ranaivoson, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy ny Siantsan’ny maha Olona ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny. « Teny malagasy ahefan-draharaha » no lohahevitra nentin’ny Ivon-toeran’ny Arika, Zavatra ary Olona Malagasy (ITAZOMA / CIRAM), ao amin’ny Fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy ny Siantsan’ny maha Olona nanamarika ny faha-21 Febroary. Famelaberan-kevitra natao hampisehoana ny fahafahana mampiasa ny teny malagasy amin’ny raharaha anaty rafitra iray no nentina nanohanana ny lohahevitra.














