Tsy mitsaha-mitombo ireo andrin-jiro mianjera sy tapaka eto amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ka mahatonga fahatapahan’ny herinaratra amin’ny faritra maro. Andrin-jiro iray indray no tapaka teny Ambohimanarina io alatsinainy maraina io noho ny lozam-pifamoivpizana, ka niteraka fahatapahan’ny herinaratra teny amin’ny tanàna manodidina. Vao tamin’ny sabotsy teo koa no nisy andrin-jiro nianjera tany Ambatofotsikely Vakinankaratra ka nitarika fahatapahan’ny herinaratra lavareny.
Ankoatra ny herinaratra dia tapaka ho an’ny fiara rehetra ny lalana eo Ambohimanarina. Ho an’ireo fiara avy any Andranomena hihazo an’Anosivavaka na mifanohitra amin’izay dia tsy maintsy mihodina an-dalana avokoa. Ny kodiaran-droa kosa dia afaka manohy ny diany.
Tonga teny an-toerana i Ron Weiss tale jerneralin’ny Jirama nijery ny fahavoazana. Andrasana ny teknisiana an’ity orin’asam-panjakana ity hanala ny andrin-jiro ary hamerina ihany koa ny herinaratra tapaka. Miankina amin’ny fahavitan’ny asa no hiverenan’ny fifamoivoizana.














