Tsy nahandro ampangoro ihany no fomba fahandro sy fomba fikarakaran’ny Malagasy ny vary. Rehefa avadiny ho koba voatoto malemy tsara iny vary dia ahavitany mofo tsy mena-mitaha amin’ny mofo vita amin’ny lafarinina. Mofo gasy, mokary, ramanonaka … kobam-bary avokoa ny akora fototra. Ny singa hafa afangaro aminy sy ny fomba fahandro azy no samy hafa. Nisy koa ireo mpikarakara nanatsara sy nanome tsiro hafa ireo mofo mahazatra. Mofo gasy ihany satria vita amin’ny akora fototra kobam-bary, saingy misy tsirony hafa kokoa.














