Kandida 553 amin’ireo 810 nilatsaka ho fidiana solombavam-bahoaka, izany hoe 68%, no nanao sonia ny « TOKY NOMENA », na « Charte de bonne conduite ». Naneho ny heviny mahakasika izany tatitra izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny komity iombonana nandritra ny valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety izay notanterahina tamin’ny 17 mey ariva teny Ambatonakanga.