150 taona lasa izay, ny 28 febroary 1869, no natao batisa tao Anatirova ny Mpanjaka Ranavalona II sy ny Praiministra Rainilaiarivony. Mbola tsy vita ny Fiangonana Anatirova tamin’izany, satria naharitra ny asa (20 jolay 1869 – 8 aprily 1880), ka tao Mahatsara-Manampisoa no natao ny raharaha.
Raha niseho tamin’ny vahoaka teo Andohalo Ranavalona II, ny 3 septambra 1869, dia efa voahilika ny Sampy (Rakelimalaza, Ramahavaly) fa ny Baiboly no narantin’ny Mpanjaka. Rehefa hitan’ny Merina fa nisafidy ho Kristiana tokoa ny Mpanjaka, dia nanara-dia azy avokoa ny isam-bohitra : io ilay nantsoina hoe «Rebik’ondry». Tsy mahagaga ary, ankehitriny, raha mifanesy ireo «Jobily 150 taona» amin’ny Fiangonana maro eto Antananarivo sy Ankibon’Imerina.
Mampiahiahy anefa, amin’izany «Jobily 150 taona» izany, ny mandre fa ho «tsangambaton’ny 150 taona ny fanitarana ny Fiangonana». Hoe : «Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangambato» (Jeremia, 31:21)… Dimampolo amby zato taona izany, efa Tsangambato vita ho azy.
Adinon’ny Mpiangona, adinon’ny Komity, adinon’ny FJKM, fa vakoka ireny Fiangonana feno 150 taona ireny. Tahirin’ny fombam-biriky, tahirin’ny pai-bato, tahirin’ny rafitra hazo, sangan’asan’ireo mpianatr’ilay kalazalahin’ny L.M.S. (London Misionary Society), sady Pastora no Mpahay Taozavatra, James Cameron, izay nogasin’ny olona hoe «Ingahikama», ary milevina etsy Ambatonakanga hatramin’ny 1875, taona nahafatesany.
Jereo ny sary tranainy Analakely : atsimo sy avaratra tanteraka mihitsy ilay Trano Fiangonana taloha, niorina taona 1861, vao niamboho kelikely Rabodonandrianampoinimerina na Ranavalona Reniny, sy ny Katedraly ankehitriny. Jereo ny Fiangonana Fenoarivo (niorina 1863), jereo ny Fiangonana Ankadifotsy (niorina 1868), sy ny sisa : notovonana atsy, ka notovanana aroa, takona tanteraka ny endrika ara-Tantara.
Soa fa mbola voaaro ny Tranovato efatra (Ambatonakanga, Ambohipotsy, Ambonin’Ampamarinana, Faravohitra). Sady vavolombelon’ny fahaiza-manao fahiny ireny no raki-tantara rahateo satria, ohatra, ny Mpanjaka Ranavalona II sy ny Praiministra Rainilaiarivony mihitsy no tonga nitokana ny Fiangonana Ambohipotsy tamin’ny 17 novambra 1868. Tsy lovan’ny FJKM irery ireny (toraka izany koa ny Fiangonana katolika : ohatra iray fotsiny ny etsy Soanierana, nampiampiana ka takona tanteraka ny endrika naha-kanto azy taloha) fa manan’andraikitra aminy ny Fanjakana mpiahy sy mpiaro ny Vakoka.














