Teny iraisam-pirenena aby ny teny anglisy sy ny teny frantsay. Izy roa ireo ary no teny ofisialin’ny Lalao Olimpika. Any amin’ny Firenena Mikambana, noho ny zanatany britanika sy frantsay nisy tamin’ny kontinenta rehetra, mahavantana kokoa ny mampiasa ny teny anglisy na ny teny frantsay noho ny teny sinoa, rosiana na arabo.
Fa anatin’ny fiaraha-monin’ny lalao sy fialamboly ankehitriny, votsa kokoa noho ny teny anglisy ny teny frantsay rehefa hiresaka dokambarotra. Ohatra ary, ahoana no handikana amin’ny teny frantsay ny hoe «One World, One Dream», teny filamatry ny Lalao Olimpika tany Beijing ? Ny teny gasintsika aza, «Tany iombonana, Nofy itambarana», toa malama vava kokoa noho ny hoe «Un seul monde, un seul rêve».
Amin’ny tontolon’ny fiarakodia, teny frantsay inona no mailamailaka mitovy amin’ireto teny anglisy ireto : «Think Small» (VW Coccinelle naiditra tany Amerika firenen’ny fiara goavambe Cadillad, Lincoln, Ford F-150), mety hahatsikaiky raha hoe «Saino Kely»… «Above and Beyond» (mantsy ny Land Rover tsy mataho-dalana ara-bakiteny), «Confidence in Motion» (Subaru : Matoky Mandeha), «Today, Tomorrow, Toyota» (Anio, Ampitso, Mandra-Toyota), «Designed Around You» (Volvo : Ho Anao), «The Best or Nothing» (Mercedes : Aleo tsisy raha tsy lafatra)…
Ny Alemana ihany no mahatoky tena amin’ny «Made in Germany» ka tsy matahotra mampiasa ny teniny amin’ny fiarany : «Das Auto» (Volkswagen), «Vorsprung durch Technik» (Audi), «Deutsche Qualität» (Opel) : tsy misy mahazo, tsy maninona, satria tsy rakibolana no vidiana fa fiara rainiboto-mafy toto…
Vitsy isika no mahalala hoe saika ny teny alemana fa tsy ny teny anglisy anie no fiteny mahazatra any Amerika. Ankehitriny aza, 240 taona aty aorian’ilay soso-kevitra hanao ny teny anglisy ho teny ofisialy any Amerika, dia mbola firenena mizaka-tena 31 amin’ny 50 ihany no nanao izany. Fomba fiteny ny hoe «Alemana miteny anglisy anie ny Amerikana» satria, hatramin’ny taona 1683 nahatongavan’ny Alemana mpifindra monina voalohany tany Amerika dia ry zareo no maro an’isa indrindra : betsaka noho ny Anglisy, ny Irish, ny Scots, ny Afrikana, ny Meksikana. Teo anelanelan’ny taona 1881 sy 1890, iray tapitrisa sy sasany ny Alemana nivantana tany Amerika. Ny taona 1900, ilay faritra hoe Little Germany tao New York no tanana germanika fahatelo lehibe indrindra manerana izao tontolo izao, nanarakaraka an’i Berlin sy Vienne. Tamin’ny taona 2016, Amerikana 46 tapitrisa no nilaza fa taranak’olona avy any Alemaina, izany hoe ny Alemana no foko maro an’isa indrindra any Amerika.
Tsiahivina ihany fa nandritra ny taonjato maro, ireo Mpanjaka sy Fianakavian’Andriana tany Eoropa dia niteny frantsay avokoa. Ny teny frantsay, tenin’ny diplômasia tamin’izany andro izany, no nanoratana ny fehin-kevitry ny «Congrès de Vienne» taona 1815. Lefy tanteraka izany taty aoriana rehefa voarara ny fampianarana ankoatry ny amin’ny teny anglisy tany Louisiane, ny taona 1921 ka hatramin’ny taona 1968. Foana tanteraka tany Amerika ary ny teny frantsay hatreo ka izany angamba no mampivadi-dela ny dokam-barotra hivolana anglisy : Keep Walking (Johnnie Walker), Just do it (Nike), Love Sex Durex (Durex), Connecting People (Nokia), What did you expect ? (Nespresso), Think Different (Apple), You Can (Canon)…