Lafo no nividianan’ny tompontrano eny amin’ny lotissement Soavina-Tanjombato ny fahanginana, filaminana ary fahadiovana. Rariny loatra raha noroahiny tsy hisaodisaody tao amin’ny lotissement ny taxibe : iza kosa moa no hiara-monina amin’ny taxibe sy ny korontandrotany, ny loto vadin-koditra aminy, ary ny tabataban’ny mpanerany ? Ho an’ny «madinika» anefa izany dia efa fanavakavahana. Fijery tsy hitovy mihitsy.
Vidiantsika lafo ankehitriny ny tsy nisian’ny fandrindram-bahoaka mazava teto. «Telo sy efatra ihany» hoy ilay hiran’ny Iraimbilanja : ahoana ihany, fandrindram-piterahana sa fitaraindrainana fa tsy ampy olona any ambanivohitra tany lava volo ? Fiaina tsy nitovy sahady : ny Raiamandreny sy ireo fianakaviana tapa-kevitra hampiana-jaza ary handefa azy amin’ny lavitra indrindra amin’ny fianarana ambony, dia nihanina tamin’ny isan-jaza roa na telo fa tsy nanao tera-bitro.
Tsy vitan’ny maneso hoe «miteraka indroa isan-taona» anefa. Tsy azo hodian-tsy hita ireo olona ireo : mitombo isa anefa mihena fivelomana. Ho an’ny sasany amin’izy ireo, dia tsy nihodina ny kodiaran-tsarety hatramin’ilay Didy nanafoanan’ny Résident Général Hippolyte Laroche ny fanandevozana, tamin’ny 27 septambra 1896. Tamin’ny andron-dRanavalona II, dia efa nisy fanafahana andevo masombika : tamin’ny 1874 sy tamin’ny 1877. Naiditra ho Mainty Enin-dReny izy ireny, fanapahan-kevitra nampifangaro zavatra. Velon-komana ve ny taranak’ireny afaka tamin’ny 1874, 1877, 1896 ireny ? Sa mbola «zanak’andevo tsy maha-te ho tia, mizara vary amin’ny zanak’alika», araka ny hiran’i Bekoto-Mahaleo ?
Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa ny olana ara-toekarena goavana mianjady eto amin’ny firenena efa am-polo taona maro. Mitombo isan’andro ny mahantra. Tamin’ny 1972, norangitina harangaranga ny hoe «Madinika», «Fanjakan’ny Madinika» : nanatsara ve sa mainka nanampy trotraka ny fahasahiranana sy ny fanavakavahana izany paika politika izany ?
Ambadiky ny fanontaniana hoe «manana ny toerany hilahatra amin’ny fiaran’Antananarivo ve ny sarety», misy fiainana fianakaviana marobe : «manana ny toerany anaty fiaraha-monina ve IZY mpitarika sarety». Tsy ho vita mora, ary tsy hisy fahagagana. Raha nanao sonia ilay Didy tamin’ny 1896 i Laroche, tsy nametraka rafitra sosialy na ekonomika haha-olona ireo andevo nohafahana. Iza no tompon’ireny sarety ireny, iza no mampanofa ireny sarety ireny : isan’ny fanontaniana tsy azo hodian-tsy hita. Ankoatra ny hoe «Sarety sa halatra ?». Ny Fiaraha-monina mihitsy no hadinkadinina eto : ho atao inona, sa inona no ho atao, ho an’ireo olona ireo ?














