Hitodika eny Ambohidahy indray manomboka izao ny mason’ny mpanara-baovao. Ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana indray mantsy no hikirakira ireo vokapifidianana navoakan’ny CENI anio (15 jona) teny Alarobia. Ireo Mpitsara ao Ambohidahy no tompon’ny teny farany amin’izay vokatry ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey lasa teo.
Mahakasika ireo savorovoro manodidina ny fifidianana dia nihaiky ny Ceni fa nisy tokoa ny hosoka ka ny fitsarana mahefa no handray an-tanana ireny raharaha ireny.