Ahitana ny maha olombelona ny baolina kitra indraindray. Tsy resaka baolina fotsiny ohatra ny fandresen’i Jurgen Klopp, mpanazatra an’i Liverpool, tamin’ny Ligue des Champions farany teo.
«Poulidor du football» no nanomboka niantsoan’ny mpanao gazety an’i Klopp satria lalao famaranana enina misesy no veriny : DFB Pokal 2014 sy 2015, League Cup 2016, Europa Ligue 2016 ary indrindra Ligue des Champions 2013 sy 2018. Manginy izy mbola faharoa fotsiny indray tamin’ny championnat anglisy farany teo anefa nahazo isa 97 ary tsy resy afa-tsy indray mandeha tamin’ny lalao 38. Misy efa niteny mihitsy hoe voaozona Ingahy io.
Isan’ny lalao famaranana Ligue des Champions natsatso indrindra angamba iny Liverpool-Tottenham iny, ary tsy azo an-tsaina mihitsy hoe iny Liverpool mikorontandrotana iny ve ilay Liverpool nahavita «remontada» nandresy 4-0 an’i Barcelone sy Lionel Messi. Klopp anefa no nandrasan’ny rehetra kendry tohana ka na izay hoe Ligue des Champions faha enina ho an’i Liverpool aza toa lasa ambin-dresaka.
Mahagaga fa nampatsiahy ahy lalao hafa, famaranana hafa, olona hafa, ny zava-bitan’i Klopp ny sabotsy teo. Roapolo taona lasa katroka, ny 6 jiona 1999, izay André Agassi vao mba nibata ny amboara tao Roland-Garros rehefa resy foana, 1990 sy 1991. Izay roalahy tsy nety kivy ve, ny volon’i Agassi tsy mibango ve, ny short rovitra nanaovany ve, no mampatsiahy ahy ny volombava tsy miharatr’i Klopp, na ny akanjony survêtement foana raha manao lobaka sy palitao ny ankabeazan’ny mpanazatra malaza, fa ohatran’ny mitovy izany ny vi(n)tan’izy roalahy.