«Ny Mpanjaka ny Madagascar hitandrina ny fitondram-panjakany amy ny ati-tany, manerana ny Nosy manontolo, toraky ny tamy ny lasa» : ara-bakiteny ny Toko faha Roambinifolo ny Fanekena tamin’ny Frantsa sy Madagasikara ny 17 desambra 1885.
Zava-dehibe no fonosin’io teny noheverina fa tsotra io : «TORAKY NY TAMIN’NY LASA». Midika izany fa, na inona na inona nolazain’ny Frantsay mikasika ny hoe «Droits historiques» noho ny nananganan’i Colbert ny «Compagnie française des Indes orientales» tamin’ny 1664 (nanarakaraka ny «Compagnie anglaise», 1600, ary ny «Compagnie hollandaise», 1602), sy ny nipetrahan-dry Pronis nodimbiasan’i Flacourt tao Fort-Dauphin (Faradofay, Taolagnaro) dia nanaiky ry zareo fa nisy Fanjakana teratany teto izay tsy maintsy nifampiraharahana.
Ny «Tamin’ny Lasa» eto dia ny Fanekena teo amin’i Robert Farquhar, amin’ny anaran’i Great Britain sy Radama Voalohany nisalotra ny anarana hoe «Mpanjakan’i Madagasikara». Vao roa taona lasa izay no tonga teto Madagasikara ny Printsesy Anne, zanakavavin’ny Mpanjaka anglisy, nanamarika tamin’ny fomba ofisialy ny faha-roanjato taonan’io Fanekena tamin’ny 23 oktobra 1817 io.
Ny «Tamin’ny Lasa» dia ireo fifanarahana misesy voasonia niaraka tamin’ny firenen-dehibe rehefa nivahiny tany Washington (Etazonia) na Berlin (Alemaina) ny iraka nentin’i Ravoninahitriniarivo, Ministry ny Raharaham-bahiny tamin’ny taona 1882-1883.
Raha feno zato taona io Fanekena, 12 marsa 1883, teo amin’ny Amerika sy Madagasikara io dia ny fitondrana amerikana no nampanao bokikely ho tsangambato. Ary ny faha-135 taonan’ny fanekena, 15 mey 1883, tamin’i Madagasikara sy Alemaina dia nomarihina vao tamin’ny taon-dasa : fampirantiana narahina valan-dresaka samihafa.
Raha tsy nisy avokoa izany «Tamin’ny Lasa» rehetra izany, tsy ho tonga teo Mahamasina ny Jeneraly de Gaulle ka nanao ilay kabary tsaroan’ny Tantara iny, ny 22 aogositra 1958. Sady nibanjina an’i Manjakamiadana izy no nanome toky : «Rahampitso, hiverina ny Fanjakanareo, tahaka izay nisiany fony mbola nipetrahan’ny Mpanjakanareo io Lapany ery ambony ery io».
Ny 16 oktobra nanaraka io, novoriana tao amin’ny Lycée Gallieni Andohalo ny Kongresin’ny Antenimieram-paritany. Ireo no nandatsa-bato hanao an’i Madagasikara ho Repoblika : 208 nisafidy Eny, 26 tsy nitonona. Ny ampitso, tonga niakatra teny ny Haut-Commissaire frantsay André Soucadaux nitondra ny tenin’ny Governemanta frantsay : «Ambarako ny faneken’ny Governemantan’ny Repoblika frantsay ny hitsanganan’ny Fanjakana malagasy ary ny maha-foana ny Lalàna tamin’ny 6 aogositra 1896».
Noho izay «Tamin’ny Lasa» izay ihany no niara-nanambaran’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha malagasy Andry Rajoelina, vao tamin’ny 29 mey 2019 teo, fa fiverenam-piandrianana ny andron’ny 26 jiona.
Efa nisy Fanjakana talohan’ny 26 jiona 1960. Efa nisy Fanjakana talohan’ny 6 aogositra 1896. Tsy nitrebona tamin’ny vato izany Fanjakana izany, na dia tsy lavorary aza, na dia be kilema aza, eny fa na dia tsy nahenika tanteraka an’i Madagasikara manontolo aza, ka mahatonga ny Foko sasany milaza fa Fanjakana Merina no tena nisy teto.