ZANDARIMARIA – Miisa 59 ireo zandary efa notanana vonjimaika any am-ponja noho ny tsy fanarahan-dalàna eo am-panatanterahana ny asany. Nandray ny andraikiny ary nilaza fa tsy handefitra ny eo anivon’ny fibaikona sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.













