Orinasa mpanamboatra fanafody afaka mifaninana amin’ireo orinasa any ivelany misehatra eo amin’ny tontolon’ny farmasia no heverin’ny filohan’ny Repoblika haorina eto Madagasikara.
Tonga ny alakamisy hariva teo ireo fitaovana hampihodinana io orinasa famokarana fanafody io. Tanjona hoy ny filohan’ny Repoblika tonga nitsena ireo fitaovana ireo teny Ivato ny hahafahana mamokatra fanafody hanasitranana izao tontolo izao.













